Loading...

Tongasoa eto @ Alefa

Your one stop shop for sending international packet

TOLOTRA

Tolotra fanampiny

IZA MOA ALEFA?

Alefa dia orinasa mikarakara fandefasana entana sy taratasy manerana izao tontolo izao. Izahay dia miezaka mandefa ireo entana amin'ny fotoana fohy nefa azo antoka sady manamora izany ho an'ny mpanjfa hajaina.
Raha misy fanontaniana, aza misalasala mifandray aminay, ho raisinay an-tanana ny fangatahanao ary hiezaka izahay hitondra ny valiny mifanaraka amin'ny zavatra ilainao.


FANONTANIANA MIPETRAKA MATETIKA

Natokana ho an'i fandefasana entana any Dago irery ihany

 Inona avy ny entana tsy azo alefa?

- Zavatra misy Gaz, Aerosole, Sprays, Ranomanitra
- Vatoaratra/Lithium, Powerbank
- Zavatra mety mora mirehitra, Alikaola
- Zavatra mety hipoaka, Konfetti
- Zava-mahadomelina, Rongony,  Sigara

 Firy kilao farafahakely ny entana azo alefa?

5kg no mihoatra ny entana.

 Mandefa any amin'ny faritra ve ianareo?

Afaka mikarakara ny fandefasana entana any amin'ny faritra izahay.

 Mbola misy vola hafa aloha ve rehefa maka ny entana?

Tsia tompoko, maka ny entana ihany sisa no atao.

  Manao ahona kosa habean'ny baoritra iray?

Tokony tsy mihoatra ny 100 cm ny halavany ary 30Kg ny lanjany.

  Mandefa kojakojam-piarakodia ihany koa ve Alefa?

Eny tompoko, azonao ALEFA aminay izany.

  Ahoana raha sanatria misy simba ny entana?

Ho fisorohana ny fahasimban'ny entana dia tsara raha atao mafy tsara ny fonony na anatiny na ivelany

 Tsy maintsy mandoa fiantohana ve aho?

Tsara ny manao fiantohana raha handefa entana lafo vidy

 Hafiriana no fahatongavan'ny entana?

manodidina ny 8 Andro raha fiaramadina, 50 andro eo ho eo kosa raha Alefa sambo.

 Inona no mety olana sendraina ra handefa entana amin'ny sambo?

Loza voajanahary, izay tsy azo hialana
Fihemoran'ny fandehanan'ny sambo: Mety ho anton'izany ohatra ny olana ara-tekinika na koa fisian'ny rivo-doza.
Ny hamandoana sy ny fiovaovan'ny toetr'andro.

MISAFIDY NY ALEFA?

Ny asa sahanin'Alefa dia:

  • Azo antoka
  • Milamina
  • Malaky
  • Sarany mirary
  • Misy fanarahana ny entana
Aza misalasala mifandray @ nay

Serasera


Amin'ny fandefasana ity takelaka ity dia manamafy ianao fa efa namaky sy manaiky ny fampahalalana momba ny fiarovana ny angona momba anao.

Fifandraisana